We Believe JesusFé, Esperança e Nova Vida

I Chronicles 2

Mg1865: Baiboly Malagasy (1865) · malgaxe

← I Chronicles 1 I Chronicles I Chronicles 3 →

1Izao no zanakalahin’ Isiraely: Robena sy Simeona sy Levy sy Joda sy Isakara sy Zebolona

2sy Dana sy Josefa sy Benjamina sy Naftaly sy Gada ary Asera.

3Ny zanakalahin’ i Joda dia Era sy Onana ary Sela; ireo telo ireo no naterak’ i Batsoa Kananita taminy. Ary ratsy fanahy teo imason’ i Jehovah Era, lahimatoan’ i Joda, dia nahafaty azy Jehovah.

4Ary Tamara vinantoni-vavy niteraka an’ i Fareza sy Zera taminy. Dimy no zanakalahin’ i Joda rehetra.

5Ny zanakalahin’ i Fareza dia Hezrona sy Hamola.

6Ary ny zanakalahin’ i Zera dia Zimry sy Etana sy Hemana sy Kalkola ary Dara; dimy lahy no isany.

7Ary ny zanakalahin’ i Karmy dia Akara, izay nampidi-doza tamin’ ny Isiraely, dia ilay nandika ny didy ny amin’ ny zavatra voaozona.

8Ary ny zanakalahin’ i Etana dia Azaria.

9Ary ny zanakalahin’ i Hezrona izay naterany dia Jeramela sy Rama ary Kelobay;

10ary Rama niteraka an’ i Aminadaba; ary Aminadaba niteraka an’ i Nasona, lohan’ ny taranak’ i Joda;

11ary Nasona niteraka an’ i Salma; ary Salma niteraka an’ i Boaza;

12ary Boaza niteraka an’ i Obeda; ary Obeda niteraka an’ i Jese;

13ary Jese niteraka an’ i Eliaba, lahimatoa, sy Abinadaba, lahiaivo, sy Simea, fahatelo,

14sy Netanela, fahefatra, sy Raday, fahadimy,

15sy Ozema, fahenina, ary Davida, faralahy;

16Zeroba sy Abigaila no anabaviny; ary telo ny zanakalahin’ i Zeroia, dia Abisay sy Joaba ary Asahela;

17ary Abigaila niteraka an’ i Amasa; ary Jitra Isimaelita no rain’ i Amasa.

18Ary Kaleba, zanakalahin’ i Hezrona, niteraka tamin’ i Azoba vadiny sy tamin’ i Jeriota. Izao no zanakalahin’ i Azoba: Jasera sy Sobaba ary Ardona.

19Ary nony maty Azoba, dia Efrata no nalain’ i Kaleba ho vadiny, ary izy niteraka an’ i Hora taminy;

20ary Hora niteraka an’ i Ory; ary Ory niteraka an’ i Bezalila.

21Ary nony afaka izany, Hezrona niray tamin’ ny zanakavavin’ i Makira, rain’ i Gileada, izay novadiny rehefa enim-polo taona izy, dia niteraka an’ i Segoba taminy ravehivavy;

22ary Segoba niteraka an’ i Jaïra, izay nanana tanàna madinika telo amby roa-polo tany amin’ ny tany Gileada.

23Ary nalain’ i Gesora sy Arama tamin’ ny Jairita ny tanàna madinika an’ i Jaïra mbamin’ i Kenata sy ny zana-bohiny, dia tanàna enim-polo izany. Ireo rehetra ireo no an’ ny zanak’ i Makira, rain’ i Gileada.

24Ary nony maty Hezrona tany Kaleba-efrata, Abia, vadin’ i Hezrona, dia niteraka an’ i Asora, razamben’ ny any Tekoa, taminy.

25Ary ny zanakalahin’ i Jeramela, lahimatoan’ i Hezrona, dia Rama, lahimatoa, sy Bona sy Orena sy Ozema ary Ahia.

26Jeramela nanana vady hafa koa atao hoe Atara; izy no renin’ i Onama.

27Ary ny zanakalahin’ i Rama, lahimatoan’ i Jeramela, dia Maza sy Jamina ary Ekera.

28Ary ny zanakalahin’ i Onama dia Samay sy Jada. Ary ny zanakalahin’ i Samay dia Nadaba sy Abisora.

29Ary ny anaran’ ny vadin’ i Abisora dia Abihaila; ary izy niteraka an’ i Abana sy Molida taminy.

30Ary ny zanakalahin’ i Nadaba dia Saleda sy Apaima; fa maty momba Saleda.

31Ary ny zanakalahin’ i Apaima dia Jisy Ary ny zanakalahin’ i Jisy dia Sesana. Ary ny zanakalahin’ i Sesana dia Ahelay.

32Ary ny zanakalahin’ i Jada, rahalahin’ i Samay, dia Jatera sy Jonatana; nefa maty momba Jatera.

33Ary ny zanakalahin’ i Jonatana dia Paleta sy Zaza. Ireo no zanakalahin’ i Jeramela.

34Ary Sesana tsy nanana zanakalahy, fa vavy avokoa. Ary Sesana nanana mpanompo Egyptiana, Jara no anarany.

35Ary ny zananivavy nomen’ i Sesana ho vadin’ i Jara mpanompony; ary izy niteraka an’ i Atahy taminy.

36Ary Atahy niteraka an’ i Natana; ary Natana niteraka an’ i Zabada;

37ary Zabada niteraka an’ i Efiala; ary Efiala niteraka an’ i Obeda;

38ary Obeda niteraka an’ i Jeho; ary Jeho niteraka an’ i Azaria;

39ary Azaria niteraka an’ i Haleza; ary Haleza niteraka an’ i Elasa;

40ary Elasa niteraka an’ i Sismay; ary Sismay niteraka an’ i Saloma;

41ary Saloma niteraka an’ i Jekamia; ary Jekamia niteraka an’ i Elisama.

42Ary ny zanakalahin’ i Kaleba, rahalahin’ i Jeramela, dia Mesa, lahimatoa, razamben’ ny any Zifa, sy ny zanakalahin’ i Maresa, razamben’ ny any Hebrona.

43Ary ny zanakalahin’ i Hebrona dia Kora sy Tapoa sy Rakema ary Sema.

44Ary Sema niteraka an’ i Rahama, rain’ i Jorkeama, ary Rakema niteraka an’ i Samay;

45ary ny zanakalahin’ i Samay dia Maona, ary Maona no razamben’ ny any Beti-zora;

46ary Efaha, vaditsindranon’ i Kaleba, niteraka an’ i Harana sy Moza sy Gazeza; ary Harana niteraka an’ i Gazeza.

47Ary ny zanakalahin’ i Jeday dia Ragema sy Jotama sy Gesana sy Paleta sy Efaha ary Safa.

48Maka, vaditsindranon’ i Kaleba, niteraka an’ i Sabera sy Tirana.

49Izy koa niteraka an’ i Safa, razamben’ ny any Madmana, sy Seva, razamben’ ny any Makbena sady razamben’ ny any Gibea; ary ny zanakavavin’ i Kaleba dia Aksa.

50Izao no zanakalahin’ i Kaleba, zanak’ i Hora, lahimatoan’ i Efrata: Sobala, razamben’ ny any Kiriata-Jearima,

51Salma, razamben’ ny any Betlehema, Harefa, razamben’ ny any Beti-gadera.

52Ary Sobala, razamben’ ny any Kiriata Zarima, nanan-janakalahy, dia Haroe sy Hatsi-hamenokota

53ary ny fokon’ i Kiriata-Jearima koa, dia ny Jitrita sy ny Potita sy ny Somatita ary ny Misraïta; avy tamin’ ireo no nihavian’ ny Zoraïta sy ny Estaolita.

54Ny zanakalahin’ i Salma dia Betlehema sy ny Netofatita sy Atrota-beti-joaba ary Hatsi-hamanatita sy ny Zoraïta

55ary ny fokon’ ny mpanoratra izay nonina tany Jabeza, dia ny Tiratita sy ny Simeatita ary ny Sokatita. Ireo no Kenita avy tamin’ i Hamata, rain’ ny taranak’ i Rekaba.

← I Chronicles 1 I Chronicles I Chronicles 3 →

I Chronicles 2 — malgaxe:

Injili ya Yesu